Sy-risy Chrétien

Sy-risy Chrétien

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Sy-risy Chrétien, Writer, Fianarantsoa.

Photos from Ministère de l'Environnement et du Développement Durable's post 28/08/2024
22/10/2022

TORO-HEVITRA:

Vakio hatramin'ny farany na somary lava fa mety ahasoa anao zavatra nosoratako ity fa indrindra ireo Mpianatra vao hiditra aty amin'ny Oniversite :

Rehefa mianatra tompoko dia mila fetsy, tsy voatery ianao nahay be tany Lycée dia hahay be koa tonga aty amin'ny Oniversite, valiny tsia tompoko ! Sao ianao ho diso fanantenana eo.
Ny hafetsena tiako lazaina eto dia mila tia mikaroka isika Mpianatra satria 13% an'ny lesona ihany farafahabetsany no azo avy amin'ny Mpampianatra, mbola eo koa ny sakana tsy fahatakarana "dictés", tsy fahaizanao terme spécifique an'ilay Mpampianatra mety hiteraka olana be eo amin'ny résultats anao, ... Sns.

Sopapa omeko anao: rehefa mba nahazo lesona kely dia ndao mandeha CYBER manao recherche mombamomba ilay lesona izay vao azonao iny, na koa mandeha manontany ireo zokizokinao manao "Filière" na "Mention" mitovy aminao ireny .

Manaraka izay dia handeha hanazava momba ny fomba fitadidiana izay hampiraikitra ny lesona ao anaty atidohantsika.
Misy maro karazany ny fomba firaketana ny fitadidiana ( mémoire) sy ny fahaizana ao anatintsika fa ny omeko eto dia telo ihany :

👉 Mémoire visuel : ny fitadidiana azo avy amin'ny maso izay amin'ny alalan'ny fihetsika ( mouvement) izay ataon'ny Mpampianatra, dia iny fihetsika ataony eo am-panazavana lesona iny miraikitra ao anatin'ny atidohantsika ka lasa miverimberina ohatran'ny sary an-tsaina ilay izy, ka izany no ilàna fahaiza-manao "animation" rehefa mampianatra olona.

👉 Mémoire manuel izay fitadidiana azo avy amin'ny alalan'ny tànana sy fandraketena an-tsoratra ny zavatra nohazavain'ny Mpampianatra, izany hoe mila manoratra foana ianao izay mitazona ny fitadidianao, na mianatra lesona azy ianao dia mila manoratra lalandava foana.

👉 Mémoire auditif : dia azo avy amin'ny alalan'ny sofina, izany hoe mila mihaino fanazavana sy maheno feo fotsiny dia efa miraikitra any anatin’ny atidohantsika ( matetika ireny olona tia mihira sy tia mihaino hira ireny no olona anatin’izany sokajy izany).

Raha tsapanao fa misy amin'ireo telo ireo ny fomba fitadidianao dia hamafiso tsara dia ahazo vokatsoa amin'izany ianao, fa mety ihany koa roa amin'ireo mémoire ireo dia samy hanananao avy fa mety tsy tsapanao akory.

Want your public figure to be the top-listed Public Figure in Fianarantsoa?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Telephone

Website

Address

Fianarantsoa