Projet PTASO
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Projet PTASO, Nonprofit Organization, Immeuble Saïfee, Toliary.
12/08/2025
Manomboka ny Tetikasa PTASO ka tonga nanamafy izany ny ekipan'ny BAD androany, indostria goavana no hatsangana sy fanomezana asa ho an'ny tanora ato amin'ny Faritra. Fisaorana no atolotra ny fitondram-panjakana tarihin'ny Filoha Andry RAJOELINA hoy ny Governora Dr TOVONDRAINY Ranoëlson Edally satria betsaka ny fampandrosoana hatao. Ny tetikasa PTASO na ny Projet De Developpement de la Zone de Transformation Agro-Industrielle dans la Région du Sud Ouest de Madagascar, efa manomboka ary eo amperin’asa tanteraka ny ekipa rehetra mba ho fampandrosoana ny sehatra tsy miankina.
Nahazo tombony manokana moa ny eto amin’ny faritra ATSIMO ANDREFANA raha ity tetik’asa PTASO ity satria dia natao ho tetikasa fitaratra ny eto.
Marihina fa ny PTASO dia programam-panjakana izay tohanan’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana na ny BAD (Banque Africaine pour le Développement) ary eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana.
Ny Fampiroboroboana ny Indostria an’i Madagasikara izay hiatoka ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Telephone
Website
Address
Toliary