ABC Event

ABC Event

Teilen

Service traiteur eto Berlin🥒🥝🍇🥗🥩
Manao spécialité sakafo Malagasy 🫶🏽

18/05/2026

🤍✨ WOW… tena kanto sy classy ilay thème “TOUT EN BLANC” ✨🤍

Arahabaina be foana ho an’ireo mpivady vao 💍🕊️

Faly izahay nandray anjara tamin’ity andro feno fitiavana sy hafaliana ity 🥰

🌹 Décoration élégante
🕯️ Ambiance romantique
🍽️ Buffet malagasy tena matsiro 🇲🇬Indrindra indrindra ny Tsaramaso sy saucisse gasy "faite maison" nafilotra 😋🔥

Misaotra tamin’ny fitokisana 🙏
Mirary tokantrano feno fitahiana ❤️, fifankatiavana 🥰 ary fahombiazana ho anareo mivady 💒✨

ABC Event Team♥️

💍 🤍 🇲🇬 😋 ✨ 🌹🕊️

Tao amin'ny Taovolo sy ny tarehy moa dia tsy zovina amintsika fa ny All in One ♥️♥️♥️

15/04/2026

Nahafinaritra anay tokoa ny nandray anjara tamin’ity mariazy ity sy nikarakara ny antsipiriany rehetra, satria ho anay dia zava-dehibe ny manampy amin’ny fanatanterahana andro iray tsy ho adino 🤎💖

Loko milamina sy kanto no nisafidianana hanomezana endrika manokana ity mariazy ity 🤍🌿✨

Ny buffet sy ny décoration dia samy nomanina tsara sy nokarakaraina, araka ny fanirian’ny mpanjifa, mba hahatonga ny tontolo ho mirindra sy manintona 🎨🍽️💫

Ny mampiavaka ity lanonana ity dia ny safidin’izy ireo hanolotra sakafo gasigasy hatrany, tsiro nentim-paharazana izay mampahatsiahy ny maha-malagasy sy mampiray ny vahiny rehetra 🇲🇬🍲❤️

Niezaka izahay nanolotra sakafo matsiro, voaomana tamim-pitandremana sy fitiavana, mba hahafinaritra ny tsiro sy ny maso🤤🔥✨

Mirary soa sy fahasambarana ho an’ny mpivady izahay, ho feno fitiavana, fifankatiavana ary fitahiana mandrakariva ny tokantranony 💕🙏✨🤎

Wollen Sie Ihr Service zum Top-Kunst & Unterhaltung in Berlin machen?
Klicken Sie hier, um Ihren Gesponserten Eintrag zu erhalten.

Webseite

Adresse


Berlin