A. S. Services

A. S. Services

Partager

Pour vous rendre Service. Pour un repas ou pour une relation. Pour une fois ou pour la foi. RESTAURANT BAR KARAOKE

04/11/2024
03/06/2024

Iza no mbola mahatadidy ?

FAHANTRANA (RADO)

Vola fitopolo sisa teo an-tànany

ambin' ny "davansy" tamin'ny karamany...

fa maro moa ny ankizy,

ka betsaka izaitsizy

ny vola lany taminy...



tao ny vary laniny,

tao ny vidim-boky, ny sisa sy ny sisa

tsy hainy hotantaraina, tsy hary ho voatanisa,

Nefa koa ny asa, tsy manahoana loatra:

mpandahadohavavy, tsy afaka manoatra...

Ka vola fitopolo sisa teo an-tànany

ambin' ny "davansy" tamin' ny karamany...



"Nefa rahampitso dia krismasy,

k'ireto ankizy,

hoy izy,

sao mangasihasy,

raha toa ka tsy mba manana

kilalao an-tànana...

Ka 'ndeha mba hojerena

aloha izay eny an-tsena..."

Nefa fitopolo sisa teny an-tànany

ambin' ny "davansy" tamin'ny karamany.



Izatsy moa no inona ?

Ary ireto hoatrinona ?

hoy ny teny ataony eny rehetra eny.

Mamaly ny mpivarotra: "sivifolo ireny"...
..ireto raha mitambatra, hataoko ariary zato

sao heverinao fa dia mamatovato..."



Dia saikatra ny sainy,

mangotsoka ny ainy,

fa vola fitopolo sisa no eo an-tànany

ambin' ny "davansy" tamin'ny karamany...



Nifindra kely indray fa toa nangaihay...

Dia nanontany koa, kanefa, ombieny ombieny

nitovy avokoa ny valin-teny reny.

Ka hany hery sisa nampionona ny fo

tsy handany vola, fa lafo loatra moa...!



Kanefa dia ahoana raha tonga any an-trano

ka hoe mipitrapitra ny ankizy, tsy angano?

Henoiny ny ao avaratra, jereny ny ao atsimo

ka milalao farara sy mampandihy tandrimo...

ny azy irery kosa no 'ndreo mangasihasy,

nefa rahampitso dia krismasy...



Niala nenina izy, kanjo tena sarotra

fa ambany loatra izato fiady varotra.



Hany hery sisa : somaingisaingy nody

Tsy avy hanozon-tena, na koa hiantso tody...

Fa fitopolo mantsy sisa teny an-tanany

ambin' ny "davansy" tamin'ny karamany ...

Vous voulez que votre entreprise soit Restaurant la plus cotée à Paris ?
Cliquez ici pour réclamer votre Listage Commercial.

Téléphone

Site Web

Adresse


61 Rue De Lyon
Paris
75010

Heures d'ouverture

Lundi 09:00 - 21:00
Mardi 09:00 - 21:00
Mercredi 09:00 - 21:00
Jeudi 09:00 - 21:00
Vendredi 09:00 - 21:00
Samedi 09:00 - 21:00
Dimanche 09:00 - 21:00