Ny Rado RAFALIMANANA

Ny Rado RAFALIMANANA

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ny Rado RAFALIMANANA, Public Figure, Nyradogroup Building 77 Avenue Grand Didier Isoraka, Antananarivo.

19/03/2026

ARAHABAINA SARASARA 🇲🇬

Ry Malagasy Mpiray tanindrazana havana, niara-namaky ny sarotra isika, niaritra ny tafiotra sy ny zava-tsarotra, nefa tsy nivadika tamin’ny finoana sy ny firaisankina.
Tonga izao ny ASARAMANITRA, mariky ny fanadiovana, ny famerenan-kasina sy ny fanantenana ary ny fiandohana vaovao ho an’ny Taranaka Malagasy.

Isaorana Ilay Andriamanitra Andriananahary, mahefa ny zavatra rehetra, izay niaro sy nitahy antsika mandrakariva. Enga anie Izy hanome fahasalamana, hery, fahendrena ary fitahiana ho an’ny rehetra amin’izay rehetra atao.

Tsy mitsanga-menatra isika fa Malagasy MANANKASINA, Tompon'i MADAGASIKARA llay MANAKASINTSARA fahagola.

Reharehantsika ny maha-izy antsika, indrindra maha Malagasy antsika ary ho ahy manokana dia reharehako ihany koa ny loharano nipoirako, maha-Emerina (Emyrne).

Saingy ambonin’izany rehetra izany, iray ihany isika: , miray fo sy saina ho amin’ny hoavin’ny Manakasintsara.

Fotoana izao hiara-hijorona amin’ny fitiavan-tanindrazana, hifampitsinjo, ary hitarika amin’ny fahamarinana sy fahendrena, mba hanandratra an’i Madagasikara ho amin’ny tsara kokoa.

Ho Taombaovao Malagasy feno fiadanana, firaisankina ary fanantenana ho antsika rehetra! 🇲🇬

Ny Fanahy Maha-Olona, ny hery tsy mahaleo ny Fanahy.

Mandrosoa Hasina
Ny Rado RAFALIMANANA

Photos from Ny Rado RAFALIMANANA's post 13/03/2026

49 taona anio. Tsy ny taona no zava-dehibe, fa ny hery ao anaty, ny vina lehibe, ary ny lalana mbola miandry hotanterahina. Raha ny marina aza, toa fanombohana vaovao indray ity!

Misaotra hatrany an'ireto Vady Amanjanaka fa izy ireo no fireneko voalohany.

Ary tazomintsika mandrakariva ny Fototra maha Malagasy dia ny NY Fanahy MAHA OLONA.

Mandrosoa Hasina
Ny Rado RAFALIMANANA

49 today. What truly matters is not the years, but the energy within, the vision ahead, and the journey still waiting to be accomplished. In fact, it feels like a brand-new beginning!

08/03/2026

Amin’ity Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy ity dia manolotra fanajana sy fankasitrahana lalina ho an’ny vehivavy rehetra maneran-tany aho.
Ianareo no fototry ny fiainana, mpanabe ny firenena ary hery lehibe manangana ny hoavin’ny olombelona.

Tsy misy firenena afaka mandroso raha tsy misy hajany ny vehivavy.

Amin’ny fo feno fitiavana sy fanajana no anolorako fisaorana manokana ho an’i Dr Patricia Rafalimanana, ilay reniko niteraka, ilay nahitako masoandro, ilay loharanon’ny aiko sy aingam-panahiko.

Ho an’ny vehivavy rehetra maneran-tany indrindra ny vehivavy Malagasy: voninahitra, fanajana ary fankasitrahana mandrakizay.

Mandrosoa Hasina
Ny Rado RAFALIMANANA
President of NYROH
www.nyradogroup.com

Want your public figure to be the top-listed Public Figure in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Telephone

Address


Nyradogroup Building 77 Avenue Grand Didier Isoraka
Antananarivo
101