Association E-CReM-VITSIKA

Association E-CReM-VITSIKA

Share

AGIR DIFFEREMENT

29/09/2024

Salama daholo. Efa andalam-pisokafana izao ny ivontoerana R.A.V.A.O (Rindra Ananganana Vina Amin'ny maha-Olombelona), fandraisana sy fihainoana antsika izay manana olana sy manana drafi-piainana Ilana taridalana a! Fanaovantsika vondrom-bavaka sy fandalinam-pinoana ihany koa.
Natao hifanohanana ara-tsaina sy ara-panahy io. Ifanampiantsika handingana ny sakatsakana tsy ivoarana amin'ny fiainana.
Eo ampanaranana ny pitsopitsony amin'ny trano isika dia afaka mandray olona. Naleo manko nanamboatra mba ho toerana mendrika ny maha zanak'Andriamanitra sy olom-boafidy ho mandresy antsika.
Mandram-pahatonga izay ity misy fifampizarana kely :
Indraindray izany isika malaky manome tsiny olona eee. Kanefa kay rehefa zohiana akaiky Dia isika ihany nĂ´ fositra mampidofotra ny fiainantsika. Isika ihany no mampandositra ny olona amintsika e! Fa izao tsy misy natao ho resy izany, tsy misy natao hizaka ny mafy izany fa ny fahaizana miarina sy manitsy ny lalan-kizorana no zava-dehibe. Sokafy midanadana io varavarana Io raha misy olona te hiala na hivoaka ny fiainantsika. Aza mandany andro mitazona azy na mpiasa io, na namana, eny na vady aza. Trangam-piarahamonina matetika mitranga io: tsy ny fanontonana ny angovo ho an'olona iray no hanajany anao. Mainka aza Ilay izy mampitontom-pitombenana anao amin'ny tany. Aza potehina ho an'ny hafa ny maha izy azy antsika.

Want your organization to be the top-listed Non Profit Organization in Fianarantsoa?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Telephone

Address


Fianarantsoa
301