Tanora RCR

Tanora RCR

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Tanora RCR, Journalist, Fianarantsoa.

14/06/2026

Fanabeazana aloha no lohalaharana raha hotsinjo taranaka isika tompoko.
Efa tokony ho maro no ho tonga saina fa tsy mitsinjo ny taranaka malagasy io rafitra rehetra misy io, voaporofo amin'ny zava misy efa hita miverimberina teto amin'ny firenena izany.

14/06/2026

⭕Fa maninona ny fanabeazana no prioritaire amin'ny RCR?

-----------------------
📌Araho ny fanazavana

11/05/2026

Afaka miray hina isika na dia....
Fa izay mitambatra vato.... 🙏

✈️ Rehefa tafaverina an-Tanindrazana aorian’izao Tour d'Europe izao dia mitohy any amin’ny faritra Atsimo ny fanofanana momba ny Fanovan-drafitra 🔧🇲🇬

⏳ Aharitra 2 volana izany voyage izany ary ireo mpikambana any an-toerana no mijery ny toerana hanaovana fiofanana 🏫
🛏️ Ny trano ivantanana kosa dia any amin’izay ahafahana matory fotsiny fa samy mitondra kidoro isika.
🚗 Ny fiaran’ny mpikambana no andehanana fa itambarana kosa ny carburant ⛽

🙏 Misaotra ireo olon’andraikitra rehetra tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny fanohanana izao voyage aty Europe izao 🌍
💙 Tena tsy mora ny fandaniana raha oharina amin’ny fahefa-mividy ananantsika nefa nanao an-tsitrapo tsy misy mitaraina isika RCR ✊

🌍 Amin’ny manaraka no hitarina misimisy kokoa ny dia raha tratra fa noho ny eo am-pelatanana voafetra dia ialana tsiny aminareo diaspora any amin’ny faritra hafa 😔
📍Bruxelles
📍Bordeaux
📍Atsimon’i Allemagne
📍Luxembourg
📍Lyon
sns…

🔥 Santatra ambavarano izao fa ny manetsabe mbola hoavy.

💪 Tena niafy ny mpikambana tsirairay vao vita izao fanomanana izao, tena mafy ilay izy nefa manana safidy ve moa isika?

🇲🇬 Antsika rehetra i Madagasikara na dia efa resy aza nefa tsy maintsy ny herim-pontsika no ahatonga saina ny hafa hoe :
👉 azo atao ny maneho firaisankina na dia sahirana aza isika.

🤝 Tsy manana fahavalo isika fa ny rafitra no efa notenenina hatrizay fa maty.
⚠️ Tsy isika no hanome ohatra ratsy eo amin’ny fiarahamonina fa raha tsy resy lahatra ny hafa dia ny manohy ny ezaka no ataontsika.

📌 Tsy ny fitondrana nifandimby no olana hoy isika fa rafitra, ka na ny mpitondra amin’izao koa dia tsy avahana — tsy ireo no olana fa na iza mitondra eo dia hitovy ny vokatra.

📺 Efa nomen’ny rehetra tsiny isika fa tsy nety nanongana an’Atoa Rajaonarimampianina tamin’ny 2018, ka niakatra TV Plus aho tamin’ny 20 avril 2018 niteny hoe :
👉 “Tsy Rajaonarimampianina no olana.”
🔗 https://www.facebook.com/share/v/16o6AtNHkK/ 🔗

⚡ Ny rehetra nitambatra tamin’izay hoe mila miala ny mpitondra, dia ireny hita ireny ny vokatra.

🔥 Rehefa nandeha indray ny 2025 dia nijanona tamin’ny principe isika ka tsy nety nitarika ny tolona na dia nangataka mafy aza ny teny an-kianja.

📌 Noho izany dia tsy isika no hiteny fa ireto mpitondra ireto indray no olana fa ny azy ireo safidy manokana satria efa nolazaina azy fa tsy hanova inona izy raha tsy miova io rafitra io.

📢 Tohizantsika ny fampahafantarana ny Malagasy rehetra fa rafitra no mila ovaina 🔧🇲🇬

🗺️ Ny manaraka indray izany dia :
📍 Anjozorobe
📍 Formation Des Formateurs Toamasina

📍 Tour du SUD :
➡️ Betafo
➡️ Mandoto
➡️ Miandrivazo
➡️ Mahabo
➡️ Morondava
➡️ Manja
➡️ Morombe
➡️ Toliara
➡️ Betioky
➡️ Ejeda
➡️ Ampanihy
➡️ Beloha
➡️ Ambovombe
➡️ Amboasary
➡️ Taolagnaro
➡️ Bekily
➡️ Betroka
➡️ Ihosy
➡️ Sakaraha
➡️ Ankazoabo
➡️ Beroroha
➡️ Iakora
➡️ Ivohibe
➡️ Ambalavao
➡️ Alakamisy Itenina
📍 Formation Des Formateurs Fianarantsoa 🎓

⏳ Mandrampihaona any an-tanindrazana.

📢 RCR-Tolona ✊🇲🇬

04/05/2026

FANASANA HO AN’NY MALAGASY REHETRA ATY EUROPE 🇲🇬 🇪🇺

Ny RCR-Diaspora dia faly manasa antsika Malagasy rehetra monina aty Europe, ary koa ireo namana avy amin’ny firenena hafa izay liana sy vonona hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanovana rafitra, hanatrika ny conférence-échange-débat hiarahana amin’i Laza Razafiarison Pejy Ofisialy , Filoha nasionalin’ny RCR/T.OLO.N.A.

Io no fotoana iray hifampizarantsika, hifanakalozan-kevitra ary handinihana ny hoe :

“𝐑𝐚𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐭𝐨𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐡𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐡𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚?”

Toy izao ny fandaharam-potoana :

📍 Marseille — 16 Mai 2026
(Inscription obligatoire : 0660445949 / 0625951074)

📍 Echandens — 17 Mai 2026
(Inscription obligatoire : 0604196122 / 0625951074)

📍 Berlin — 23 Mai 2026

📍 Paris — 25 Mai 2026
(Inscription obligatoire : 0625951074/ 0604196122)

📧 [email protected]

Tongava maro.

𝐀𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚𝐧𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐢𝐧𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐨𝐚𝐯𝐢𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚.

10/04/2026

🧐 Handray anjara ho an'ny firenena sa hitazam-potsiny isika?

👉Fantan'ny vahiny fa manana reserve MILLIARD de dollars marobe isika malagasy dia mody tambazany millions de dollars sous forme AIDE , trosa tsy asiana intérêt na Fanampiana , sns dia roboka tokoa ny mpitondra rehetra nifandimby teto.

AMPY ZAY ny tsy rariny amin'ny endriny maro.

Mbola mahantra ihany ny malagasy
Mbola tsy mianatra ihany ny zaza malagasy
Mbola tsy mahazo fitsaboana, jiro sy rano madio
Mbola tsy misy fandriapahalemana ihany
Tsy misy ny asa ,
Milefa any ivelany daholo ny manam-pahaizana malagasy satria feno tsy rariny eto, kolikoly no mameno tanàna.

Io anie ilay système mamatotra antsika eh
Mbola andevo isika malagasy tompoko eto amin'ny tanitsika mandrapa hanovatsika rafitra ,mifanaraka amin'ny kolotsaitsika, hitsinjo antsika aloha sy ny taranaka mba ho an'ny malagasy i Madagasikara.

Mifohaza namako
Rafitra no olana teto fa tsy nisy sahy nanova
Mila manambatra hery isika , miaraka manova rafitra mba hanoratra tantara vaovao ho an'ny taranaka rehetra aoriana.

Raha 25 tapitr'isa isika ohatra .
Ianao sy ny taranakao zany tokony samy hanana 20.000.000ar avy raha trandrahatsika amin'ny tokony ho izy i Tsimiroro.
Mbola ngeza lavitra noho io nefa i Bemolanga.

Izany dia entina hilazana amintsika fa tsy mendrika ny malagasy ny zavatra hiainany isan'andro.
Mendrika fiainana tsara ny malagasy,
Tokony hanana ho avy tsara ianao sy ny taranakao.

Want your public figure to be the top-listed Public Figure in Fianarantsoa?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Website

Address


Fianarantsoa