2RF MUSIC
🎧 2RF MUSIC
Label & Production musicale
🔥RNB • Rap • Afrobeat • Hira Gasy
📞 Contact : 034 40 945 06
📲 WhatsApp disponible 034 40 945 06
04/05/2026
Indraindray misy ilay olona 1 tsaroana foana iny na efa ho firy taona aza no tsy teo intsony.Mba mentionné eo ny akama bonne anareo hijerevanay izato hamanjany sy ny bogossité ny ry tary😂😊
01/05/2026
Tratry ny fetin'ny asa e!!
Ataovy milay ao fa sady tonga de week-end lava be no mitaty antsika.🙏😉
23/04/2026
🎤 LIVE TAOM-BAOVAO 2017 🎶
Fotoana tsy hay hadinoina… 💭
Tamin’io no fampisehoana voalohany nataon’ny tarika. Na dia mbola hira 2 monja aza no anananay tamin’izany fotoana izany, dia niezaka izahay nampifaly anareo tamin’ny alalan’ny hiran’olona hafa.
🔰 Niainga tamin’ny tsotra indrindra:
– Zavamaneno mbola vitsy 🎸
– Fitaovana mbola tsotra 🎚️
– Fa fitiavana mozika sy fahavononana no tena nanan-kery ❤️
Ankehitriny, tsaroana am-pireharehana izany fiandohana izany 🙏
✨
Mirary soa hatrany ho an’ny tarika!
Indrindra ho anareo rehetra izay nanohana sy mbola manohana hatramin’izao — ianareo no hery manosika anay tsy hitsahatra 💪🔥
🙏 Mankasitraka indrindra!
🎶🇲🇬
15/04/2026
Eny tompoko 🙏,
Tsy ho hainay mihitsy ny tsy hisaotra anareo mpanaraka ny pejy noho ny fankaherezana sy ny fitiavana nasehonareo tamin’izao fahalasan’ny namanay izao ❤️.
Ny fiarahamiory sy ny teny mamy nataonareo dia nampahery anay tokoa, nahatonga anay hahatsapa fa tsy irery izahay 🤝.
Maniry izahay mba hiverina ho soa aminareo tsirairay avy izany hatsaram-panahy rehetra izany ✨, ary hoesorin’Andriamanitra aminareo anie izay rehetra ratsy 🙏.
Manomboka eto, dia hiroso amin’ny tanjona vaovao ny tarika 🚀, hitondra zavatra tsara kokoa sy mahery vaika kokoa ho anareo 🎶🔥.
Na izany aza, ho velona ao am-ponay mandrakizay ilay namanay 💫 — izy no hery manosika anay hanohy sy hanatsara hatrany.
Mbola betsaka ny ho avy… ary ianareo no herinay lehibe indrindra 💪❤️
Mankasitraka hatrany!
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Address
Fianarantsoa