Chrd2 Kandreho
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Chrd2 Kandreho, Medical and health, Kandreho, Majunga.
08/11/2025
Tafaverina soa amantsara ny logo 👌👌👍
23/09/2025
Fantaro ireo vokatsoa hoentin'ny papaye na mapaza masaka.
❤️Mahatsara ny fo
Tsy sangisangy tokoa ilay hoe "omena jus de papaye" ny olona rehefa tezitra be iny. Mampitony ny fo tokoa mantsy ny papaye. Noho ny "potassium" sy ny "fibres" ao anatiny, manatsara ny fahasalaman'ny fo io voankazo io. Mitandro ny "tension" tsy ho ambany na ho ambony loatra izy.
Ho an'ireo olona rera-dava, mahasoa ny fihinanana papaye. Mampahazo aina vetivety io voankazo io noho ny siramamy sy ny singa mahasalama rehetra entiny.
🚨Mahasalama ireo taova fandevonan-kanina
Voankazo manasitrana vavony ny papaye : mampihena ny rivotra anaty vavony sy ny fanaintainana. Ho an'ireo mparary vavony matetika dia tena amporisihana ny fihinanana io voankazo io, indray mandeha isan-kerinandro farafahakeliny. Manamora ny fandevonan-kanina izy sady mora levonina ihany koa. Azo hanina tsara ihany koa io voankazo io raha manana olana amin'ny famoahana maloto (constipation).
đź§–Mahatsara hoditra
Mahamandina sy mahasalama ny hoditra ny fihinanana papaye. Manan-karena "beta-carotène" sy "vitamine C" mantsy izy. Azo hosorana mivantana amin'ny hoditra ihany koa ny papaye, indrindra rehefa mahatsikaritra tasy na koa main'ny masoandro. Misy ihany koa ireo manasa volo amin'ny ranona papaye (tsy misy siramamy). Tsy vitsy ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny taovolo sy ny tarehy no mampiasa ny papaye hanamboarana crèmes, lotions na shampoing.
❓❓Ahoana à ry ny fihinanana papaye ?
Amin'izao andro mafana izao, mampahazo aina ery ny mihinana papaye notetehina somary nampangatsiahana kely tao anaty vata fampangatsiahana. Azo atao goûter tsara izy na hohanina alohan'ny sakafo (tsindrian-tsakafo fa tsy tsindrin-tsakafo). Tsy vitsy ireo olona manamboatra "salade de fruits" ka mampifangaro ny papaye amin'ny voankazo hafa : akondro, frezy, voaroy, mananasy, sns. Azo atao tsara ihany koa ny manodina azy ho lasa ranom-boankazo.
⚠️Fanamarihana
Ho an'ny olona diabetika, mila lanjalanjaina ny fihinanana azy.
⚠️Ahoana no amantarana olona voan’ny « appendicite » ?
Misy manindrona tampoka ve ao amin’ny faritry ny kibo havanana rehefa mamindra na mibata zavatra mavesatra ? Mety « appendicite » izany. Raha tsy misy fandraisan-tanana mialoha dia mety hihitatra ho areti-mandoza.
❓Inona no atao hoe « appendicite » ?
Aretiny « appendice », izay ampahany amin’ny tsinay, no atao hoe « appendicite ». Mety ho tratry izany avokoa ny olona rehetra fa ireo eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 30 taona no tena isehoan’izany.
🚨Ireo fomba fisehon’ny « appendicite »
Ny fomba fisehon’ny appendicite dia ny :
-fahatsapana manaintaina manindrona tampoka eo amin’ny manodidina ny foitra ary midina mankany amin’ny ilany ambany ankavanana sy amin’ny fe izany fanaintainana izany ;
-mihamafy hatrany ny fahatsapana fanaintainana ka mety manindrona mafy be anatin’ny iray andro ;-mety hahatsapa maloiloy sy te handoa
-lasa malain-komana ;
mety hisy hafanana sy hangovitra ;
-mivalana na mitohana ;
-mety misy zavatra fotsifotsy miforona eo ambonin'ny lela.
💊💉Ny fomba fitsaboana ny « appendicite »
Ny fandidina ihany hatreto no fitsaboina mahasitrana sy analana ny « appendicite ». Vao miseho ireo soritr’aretina dia mila manantona toeram-pitsaboana avy hatrany. Raha tara ny fandraisan-tanana dia mety ho vaky ny « appendicite » ka lasa sarotra tsaboina tokoa. Ny fihinanana antibiotika dia tsy mitsabo ity aretina ity tanteraka fa manena ny fihitarany fotsiny ihany aretina.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Culinary Team
Attire
Contact the practice
Telephone
Website
Address
Kandreho
Majunga
401