DRWÏS
Bonjour! Abonnez vous à notre nouvelle page, Never back down
26/06/2025
Tsy ny vehivavy irery ihany no natao hahandro sy hikarakara sakafo.
Lehilahy,
Rehefa tsy eo ve ny partenaire-nao dia tsy velona ny afonao?
Tsy misokatra ny vavanao?
-Azafady, tsy responsable ianao.
Ny lehilahy responsable mantsy dia mahavita ny tenany avec ou sans partenaire.
Amin'ny fomba ahoana moa no hamelomanao zanak'olona anefa ny tenanao aza tsy velonao sy tsy voakarakaranao?
Na Jesosy aza rehefa niseho tamin'ny mpianany taorian'ny fitsanganany tamin'ny maty nahandro sakafo, nahay nahandro sakafo, nahay nikarakara sakafo, ni-servir sakafo.
Ny modèle-ny kristianina anefa dia Jesosy Kristy.
Maro amin'ny lehilahy kristianina ankehitriny no tsy mandray ravin-dena ao an-trano fa manipy amin'ilay hoe "izaho no lohany, izaho no mitondra, izaho no izao sy izao...
-Na manasa caleçon aza tsy hay.
Indraindray mba reraka ny partenaire-nao
-Tsy robot akory izy.
Tsy natao ho azy irery no mikarakara sakafo.
Dieny mbola toka-tena dia mianara mikarakara, mianara mahandro, mianara mavita tena, mianara ho responsable.
Ndao hanova zavatra
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the public figure
Telephone
Website
Address
Rue Radama 1
Toamasina
501