Doris Rabemanantsoa

Doris Rabemanantsoa

Share

CONSEIL - FORMATION -ORIENTATION
🏆Tsy maintsy ho Tafa isika🏆

30/04/2023

🗣️TENENO IZAY ZAVATRA TIANAO HITRANGA AMINY FIAINANAO🗣️

🗣️Isa-maraina dia zaro ny vavanao hamafy teny positif amin'ny tenanao.
Zaro ny molotrao hamafy voa tsara amin'ny fiainanao.
🗣️Ny teny dia tahaka ny voa rehefa afafy dia maniry ary mahavokatra.
Tsara ho tadidintsika foana fa Tsy niandry ny mazava nitranga Andriamanitra vao niantso mazava fa tao anaty haizina no niantso hoe misia ny mazava...
🗣️Koa sahia amafy voa tsara amin'ny tenanao.
Teneno izay zavatra tianao hitranga androany.
Teneno izay zavatra tianao ho hita androany.
MAHERELA MILAZA HOE:
Mahomby aho...
Manan-karena aho...
Mandresy aho..
Salama aho...
Vitako io...
TSY MAINTSY TAFA AHO.
MIRARY ALAHADY HITONDRA NY SOA SY NY TSARA HO ANTSIKA REHETRA

09/01/2023

💵Mila Miezaka mba hanana loharanom-bola maro💵
Herinandro vaovao, Samy miroso aminy fitadiavam-bolany avokoa isika rehetra ny Zavatra tokony ho fantanao fotsiny dia ny hoe voa mifoha maraina fotsiny ianao dia efa manomboka mamoaka vola tsikelikely:
💡mamelona jiro ianao efa mamoaka vola ho an'ny Jirama.
-Mampiasa kojakoja toy ny dentifrice, savony, ianao dia efa mamoaka vola ho an'ny orinasa mpanamboatra an'izy ireny.
-Mivoaka ny trano ianao ka mitady fiara fitanterana dia efa mampidi-bola ho any station d'essence sy ny tompony fiara.
Izany hoe Io Zavatra madinidika ataonao ireo Dia mamoaka vola ho any orinasa maro isan-karazany. Ka noho izany dia mila mampiditra vola ianao mandritra ny tontolo andronao, mba afahanao maharaka an'ireo filanao ireo.
mipetraka aminao ny fanotaniana :
- Ianao mikarama isam-bolana io, mahasahana ny vola mivoaka ve ny karamanao?
-Ianao Mampidy bola aminy asa andavandro, mahavoaloa ireo laninao indray andro ve ny vola miditra aminao?
Ny tsy anasa moa dia tsy hita izay azo anotaniana...
Ka noho izany Hiandry karama faran'ny volana ve? Sa Hiankina amina loharanom-bola iray ?
Raha ny tsapako mantsy dia mila miasa ny mpivady ankehitriny vao mahavelona tokantrano iray. Izany hoe loharanom-bola roa.
Ka raha izany ny zava-misy dia tokony hitady mandrakariva loharanom-bola hafa isika hanampiana ny efa ananatsika.
Mety ho betsaka ny sacrifice tsy maintsy ho atao mba havitana izany fa kosa Manasa anao aho mba hanana jery lavitra, mametraha tanjona amin'ny fiainanao, manaova planina ary mandraisa dingana tsikelikely mifanaraka amin'izany mandrakariva.
Aza miankindoha amin'ny lova avy amin'ny Ray aman-dReninao fa mivonòna kosa hametraka lova ho an'ny taranakao.
Averiko foana hoe: Mahaiza manetritena fa ny fanentrehan-tena no mialohan'ny fisandratana.
Ary araho vavaka vavaka foana foana ireo zavatra ataonao.
Koa amin'izao maraina vaovao izao mipetraka aminao hatrany ny safidy, hijanona amizao sa hampiakatra loharanom-bola hafa.
Izahay dia hanampy anao hatrany aminy toro lalana eto aminy pejy fa kosa ianao no tompony fanapahan-kevitra hanova ny tantaranao
Hanomboka aminy farany ny herinandro izao ny fampianrana eto aminy pejy ka manasa anao hanaraka tsy tapaka fa hitondra soa ho anao izany.
Tsy maintsy TAFITA ianao, Tsy maintsy TAFA isika.

Want your public figure to be the top-listed Public Figure in Toamasina?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Telephone

Website

Address


Toamasina
501