Doris Rabemanantsoa
Entrepreneur, Conseiller juridique,Coach en développement personnel...
Unité✨Entraide✨Réussite
Contact: 0344710511
07/05/2025
💤Mirary Toromaso mamy daholo e💤
Tsy maintsy Tafa🫵
07/05/2025
Eh! Aza ampitahaina amin’ny hafa ny fiainanao Raha te ho tafita.
Samy manana ny lalany, samy manana ny fotoana hananganana ny nofinofiny, samy manana ny fotoana mety aminy…
Ny fifampitahana tsy manampy, fa mandrava tsikelikely ny herim-ponao.
Ilay finoana tena ilaina amin’ny fahombiazana manjary lasa resin’ny ZAVATRA hafa satry mety tsy ho vitanao ary mety tsy eritreretinao akory hoe inona ny lalana nodiavin’ilay olona hampitahanao ny fiainanao fa ny vokatra efa azony no hitanao
Samy manana ny talenta hananany.
Samy manana ny hery manokana, samy manana ny fotoanany hambolena sy hijinjana.
Rehefa miakatra ny hafa, mifalia dia miezaha mamantatra ny ataony ary makà lesona.
Raha vonona ny handroso ianao, hialao ny fampitahana amin’ny hafa fa poizina be mihitsy.
Ka hoy aho hoe: Vonona ny haomby ve ianao aza variana mampitaha ny fiainanao aminy afa fa mandraisa lesona lalandava sahia mitondra fiovana Ary Araho ezaka izany fa tsy maintsy Tafa ianao🫵
05/05/2025
🤫Ity Misy Tsiambaratelo🤫
💲💵Tsiambaratelon’ny olona manan-karena izy ity💲💵
Maro dia maro ny olona te ho Tafa ary te-ho mpanan-karena daholo ny olona… fa vitsy kosa no vonona hihaino ny marina.
👉 Tsy hoe manan-tsaina kokoa noho ianao akory ny mpanankarena na koa hoe manapahaizana miotra
Fa nahafantatra sy nampihatra fitsipika tsotra izy ireo izay tsy fantatry ny 99%-n’ny olona na fantany fa tsy manana courage hiroso ny olona :
Ity Ary ny zava-dehibe tokony ho fantarina
💡 Ny vola dia manaraka ny VALEUR-ny zavatra ataonao💡
Raha mbola sahirana ara-bola ianao ankehitriny, dia anontanio ny tenanao hoe :
📌 Inona no olana ho vahako amin’ny olona ?
📌 Inona no fahaiza-manao tsy ananan’ny olona maro ananako ?
📌 Ahoana no ahafahako manampy olona hihary vola, na hitsitsy vola sy fotoana ?
💰 Ny olona lasa manan-karena dia tsy miandry karama fotsiny, fa mamorona vahaolana ho an’ny hafa.
🚫 Fa maninona no tsy mahomby ny ankamaroan’ny olona ?
1️⃣ Mandany fotoana amin’ny asa tsotra sy mahazo karama kely, fa tsy manangana zavatra mitondra vola maharitra.
2️⃣ Mandany vola amin'ny fialamboly (toy ny Netflix, Facebook, sy ny lamaody isan-karazany...) mihoatra noho ny mianatra sy mamokatra zavatra mampidi-bola.
3️⃣ Miandry zava-mahagaga fa tsy mandray andraikitra.
😏 99% ny olona hamaky ity dia tsy hanao na inona na inona akory, tsy ho tapa-kevitra hanaraka ny pejy mba andratoanana fahalalana...
Na tapitra aza Ity volana Ity dia Mbola tsy ahita vokatra IZY...
KA HOY AHO HOE:
Asehoy fa hafa ianao dia Mba ho isan’ny 1% ny olona mihetsika sy mandroso ary vonona ny ahita fahombiazana.
Raha vonona ianao dia sahia manoratra tsy maintsy Tafa aho 🙏🙏🙏
Mirary takariva mahafinaritra daholo e! Tsy maintsy Tafa ianao🫵
04/05/2025
🗣️TENENO IZAY ZAVATRA TIANAO HITRANGA AMINY FIAINANAO🗣️
Rehefa namorona izao tontolo izao andriamanitra dia taminy alalany teny. Noho izany manan-danja ny teny avoka ny vavantsika ka hoy aminao androany hoe:
🗣️Isa-maraina dia zaro ny vavanao hamafy teny positif amin'ny tenanao.
Zaro ny molotrao hamafy voa tsara amin'ny fiainanao.
🗣️Ny teny dia tahaka ny voa rehefa afafy dia maniry ary mahavokatra.
Tsara ho tadidintsika foana fa Tsy niandry ny mazava nitranga Andriamanitra vao niantso mazava fa tao anaty haizina no niantso hoe misia ny mazava...
🗣️Koa sahia amafy voa tsara amin'ny tenanao.
Teneno izay zavatra tianao hitranga androany.
Teneno izay zavatra tianao ho hita androany.
MAHERETA MILAZA HOE:
Mahomby aho...
Manan-karena aho...
Mandresy aho..
Salama aho...
Vitako io...
TSY MAINTSY TAFA AHO.
MIRARY ALAHADY SAMBATRA FENO FAHOMBIAZANA HO ANAO
EH! TSY MAINTSY TAFA IANAO🫵
01/05/2025
👋Bienvenue Mai !👋
5 mois se sont déjà écoulés cette année… Le temps passe, mais chaque jour est une nouvelle chance d’agir, de progresser, de devenir meilleur qu’hier.
Mai, c’est le moment d’accélérer, de transformer les intentions en actions, les rêves en réalités.
Ne laisse pas passer ce mois comme les autres : avance, ose, construis !
Ta meilleure version t’attend… à toi de la rattraper
Alors n'attendez plus suivez-nous et ensemble entraînons nous pour atteindre le succès
Tsy maintsy Tafa isika.... Dr succès ☀️
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Telephone
Website
Address
Toamasina
501