AMI IDEAL
Akama MIlay Iray Dia & Ezaka Amin'ny Lafatra. Musicien / Auteur/Compositeur et Chanteur
🎶 REMILAHELOKY 🎶
Tsy voatery ho tian'ny olona rehetra isika eo amin'ny fiainana andavanandro. Misy hatrany ireo tsy mankasitraka antsika ka manaratsy, manendrikendrika ary manoso-potaka, na dia tsara sy marina aza ny ataontsika. Matetika dia ny fialonana sy ny toe-tsaina ratsy no fototr'izany.
Izany no resahin'ny hira REMILAHELOKY, iray amin'ireo sanganasan'i Olien Maximin Rehasa, mpanorina sy mpitarika ny tarika AMI IDEAL, nandritra ny seho LES TROIS AILES tao amin'ny Vakok'Arts - Alliance Française de Toliara.
✨ Hafatra: Aza mamaly ratsy ny ratsy. Mila mamakafaka tsara isika rehefa misy namana rahalahy anabavy mifosa olona amintsika. Ary fadio ny mihaino feon-dakolosy tokana. Sady mba mifankatiava e, mifampitsinjova amin'ny tsara ary aza mifanendrikendrika sy tia manaratsy ny hafa. Manaova ny tsara hatrany satria ny soa atao tsy mba very.
🙏 ❤️"Mifankatiava avao, aza mifanendrikendrika e!" ❤️🙏
🎶 “Lamôdy Henany” – AMI IDEAL 🎶
Une chanson parmi tant d’autres, créée et chantée par AMI IDEAL lors de son spectacle exceptionnel « LES TROIS AILES » :
Ami Ideal new Listen – new Look – new Life – En Scène
accompagné de ses musiciens et du groupe de danse ALL DIHY, l’artiste a offert au public un moment intense, riche en émotions, en rythmes et en découvertes artistiques, le 23 mai 2026, de 17h00 à 19h00, au Vakok'Arts Trano Alliance Française de Toliara.
Ce premier grand spectacle a été marqué par une ambiance chaleureuse, conviviale et pleine d’énergie, captivant les spectateurs présents du début jusqu’à la fin. Entre innovation musicale, performance scénique et partage culturel, AMI IDEAL a su laisser une empreinte mémorable dans le cœur du public.
✨ Une soirée artistique exceptionnelle… et ce n’est qu’un début.
24/05/2026
Salama daholo e 🙏 Mirary Pentecôte 2026 feno fitahian’ny Fanahy Masina ho antsika rehetra.
Misaotra indrindra anareo rehetra tonga nanohana sy niara-nankafy ny fampisehoana nataon’ny tarika AMI IDEAL omaly teto Toliara. Nafana sy nahafinaritra tokoa ny sehatra, ary heveriko fa tsy nahamenatra ny zava-bita ho an’ny fiakarana voalohany teto an-drenivohitra. Maro no gaga nahita ahy teny an-tsehatra ka nanontany hoe : “Hay lasa mpanakanto ianao?”
Ny marina anefa dia tsy hoe “lasa” mpanakanto aho, fa talenta efa tao anatiko hatramin’izay io. Tsy nivadika asa aho fa naverina novelomina sy nasongadina indray ilay lafiny zavakanto efa nisy hatry ny ela. Efa nanomboka nihira tany Betroka rahateo aho tany amin’ny taona 1998-2000, indrindra tamin’ireo hetsika sy concert ara-piangonana.
Amiko, tsy mifanohitra velively ny maha mpampianatra sy maha mpanakanto. Mifameno aza izy ireo. Ny mpampianatra dia tsy mpampita lesona fotsiny, fa mpanabe saina sy olona. Toy izany koa ny zavakanto, satria fitaovana iray ampitana hafatra, soatoavina ary fanabeazana ho an’ny fiarahamonina. Raha dinihina lalina aza, ny mpampianatra dia “artiste” ihany koa, satria manefy sy mamolavola ny sain’ny ankizy sy ny tanora ho olom-pirenena vanona rahatrizay. Avy amin’ny mpampianatra no ipoiran’ny dokotera, injeniera, mpahay lalà na, mpitondra ary na dia mpanakanto aza. Koa tsy tokony hahagaga raha misy mpampianatra manana talenta maro samihafa. Tsy mampihena ny hasin’ny fanabeazana izany, fa vao mainka manitatra ny fomba entina manabe sy mitaona ny olona amin’ny tsara.
Indrisy anefa fa matetika mbola tsy ampy ny fifanohanana sy firaisankina eo amin’ny samy Malagasy. Maro no tsy mahay mifaly amin’ny fahombiazan’ny hafa, nefa rehefa misy fahoriana vao mivondrona. Raha ny fijeriko, ny toe-tsain’ny vahoaka ihany koa no isan’ny antony mampihemotra ny firenena, rehefa tsy tia hifanampy sy hifanosika amin’ny tsara.
Na izany aza, misaotra ny rehetra nanohana anay na tsy nanohana e. Mahavelo bevata iaby rolahy e
Ny tarika 🔥AMI IDEAL🔥 dia isan’ireo tarika mivoy ny mozika "*tropical*" sy ireo gadona Malagasy maro samihafa, indrindra ny Tsapiky, izay trandrahiny sy havaoziny ho amin’ny endrika vaovao antsoiny manokana hoe : KaLaTsaKi.
🎶 Fa inona marina ny hoe: KaLaTsaKi ?
Tsy anarana fotsiny izy io, fa hafatra sy vinan'ny tarika :
👉 “Aza ariana ny kolotsain-drazantsika, indrindra ny mozika Malagasy.”
Ny hoe *KaLaTsaKi* dia fitambaran’ireo gadona nentin-drazana avy aty Atsimo :
🎵Ka = Karitaky
Gadona mozika mampiavaka ny Bara izay ahitana amponga maromaro miaraka amin’ny sodina sy antsa nentin-drazana.
🎵La = Lalibanda
Fandihy sy tsinjaky nipoitra avy amin’ny fiainan’ny mpiandry omby sy ny gadona Karitaky, mampiavaka azy ny fihetsika sy rekipalopalotsy tongotra. Izany hoe anarana lalitr'aomby izy io iza mazana tia mipetaka eny Amin'ny tongotra ary manaikiitra mitsetsitra rà , ary mangidihidy izay avy nokaikeriny. Ka ny tongotra ilany izay tsy misy azy ihany no ikapohan'izay kaikeriny rehefa tsy hampiasa tanana ihany ireo mpiarakandro. Ary lasa nampiasain'ireo mpitsinjaky Karitaky izany "*terme : Lalibanda*" izany ho fomba fandihy na fitsinjaky Amponga na Karitaky.
🎵Tsa = Tsapiky
Gadona izay vao haingana sy tsy ela akory izay no nahazo fankatoavana iraisam-pirenena ho harem-bakoka tsy azo tsapain-tanana ny Tsapiky. Gadona mozika mampirevy sy mampihetsika fo sy vatana izy.
🎵Ki = Kilalaky
Gadona mafana sy velona, mitondra hafaliana sy angovo miavaka.
✨ Samy manana ny maha izy azy ireo gadona ireo, ary entin’ny Leader de Groupe AMI IDEAL hitambatra ao anatin’ny endrika vaovao iray antsoiny hoe: "*KaLaTsaKi*".
Mozika mampiray ny nentin-drazana sy ny fanavaozana.
Mozika mampihetsi-po sy mampitsangana ambiance vaovao eto Toliara.
📅 23 Mey 2026 — amin’ny 5 ora folakandro
📍 Ao amin’ny Vakok'Arts Alliance Française de Toliara
🔥 Tongava hiaina ilay :
FAMPISEHOANA LEHIBE MIAVAKA
“Les Trois AILES : Ami Ideal — new Listen, new Look, new Life En Scène”
🎤 Tsy hijery spectacle fotsiny ianao fa :
âś… Haheno mozika vaovao
âś… Hahita endrika vaovao
âś… Hiaina feeling sy ambiance vaovao tanteraka
💥 Ambiance assurée à 100% !
Izay tsy ho avy… mbola hanontany hoe :
👉 “Fa inona marina ilay KaLaTsaKi ?”
🎶 AMI IDEAL — Mitahiry ny maha Malagasy, manavao ny mozika.
Izao anio! Miavia maro.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Website
Address
Mdagascar
Toliary
601