Fiangonana RHEFI Toliara
BB
16/04/2023
•Jaona 15/1
Raha tsy miray @ Andriamanitra isika tsy afaka hamoa be isika.
•Jaona 1/1
☆Voa = tenin'Andriamanitra
•Lioka 7/11
Mila anao vonona hiaina miaraka @ tenin'Andriamanitra fa tsy misy dikany ianao na dia manana hetaheta aza.
•Jaona 3/1-6
Raha tsy Andriamanitra no momba anao, tsy mahay manao fahagagana ianao. Ary i Nikodemosy dia tahaka an'izany, mitady sy maniry fahagagana ary mpanaraka fivavahana fotsiny. Aza mba tahaka an'i Nikodemosy ianao fa aoka tena hiaina ao @ Kristy. Noho izany, mila ateraka indray ao @ Fanahy ianao raha te handeha araka ny tenin'Andriamanitra.
☆Ateraka indray = ateraky ny rano sy ny fanahy.
Ny fahaterahanao indray ao @ fanahy no ahafahanao miaina @ Andriamanitra sy ny teniny.
•Lioka 11/27-28
Mitovy @ olona tsy mpino ianao raha tsy miaina @ tenin'Andriamanitra na dia mahay ny tenin'Andriamanitra aza. Tsara ny mahafantatra fa tsara lavitra ny miaina araka ny tenin'Andriamanitra.
▪︎Inona no asan'ny teny?
■ Maty antoka ao @ nofo fa mahazo tombony ao @ fanahy ;
•Hebreo 4/12-13
Misy fotoana ianao misy zavatra sarotra aminao araka nofo kanefa ny fanahinao tsy mety. Mety maty antoka kely ianao ao @ nofo kanefa ny ao @ fanahy no mandray tombony.
~Ohatra : ampahafolon-karena, vavaka, famelan-keloka...
Lany ny fotoananao, ny volanao,sns...kanefa tadidio fa tsy very ireny satria fankatoavanao ny tenin'Andriamanitra. Misy fotoana ianao tsy maintsy mamela heloka na dia sarotra toy ny ahoana aza ny vitany taminao.
Raha mifikitra ao @ Andriamanitra ianao @ alalan'ny vavaka, sarotra ho an'ny devoly ny hamily anao any @ nofo.
•II Korintiana 4/16
Raha te hiaina @ tenin'Andriamanitra ianao, mila mietry ny nofonao. Aza mijery ny hafa hoe mandeha araka ny teny ve izy fa ny anao jereo.
■ Mandevona ny tenin'Andriamanitra ;
•Jeremia 23/29
Ao anatin'ny tenin'Andriamanitra dia teneno Jesosy handevona izay tsy mety ao anatinao.
■ Natao hameno ny fonao ny tenin'Andriamanitra ;
•Isaia 53/10
Natao hamonto ny fonao ny tenin'Andriamanitra, ka haniry ao anatin'ny fonao ka haniry.
■ Tsy mampahazo aina an'Andriamanitra ny tsy fanarahanao ny tenin'Andriamanitra ;
•Jaona 14/24
Mandiniha ianao rehefa tsy mankatò ny teny hoe manome vahana ny tenako aho sa manome vahana an'Andriamanitra.
Rehefa tsy miaina @ tenin'Andriamanitra ianao dia esorin'ny devoly aminao ny teny. Ny tenanao no fahavalon'ny tenin'Andriamanitra voalohany mba hahatonga anao tsy hiaina araka ny tenin'Andriamanitra sy hankatò.
Pasteur Ange Solonirina 🙏
16/04/2023
MPANANGANA IANAO SA MPANINGANA
•Kolosiana 3/14
•Matio 5/48
•Romana 5/5
•Lioka 6/36
•Joda 1/2
Rehefa nijinja famindram-po avy @ Andriamanitra ianao dia mila mamafy famindram-po any @ hafa.
•Efesiana 2/1-5
Andriamanitra tsy mba nijery ny lasantsika na toy ny ahoana ny faharatsiantsika fa nijery ny hoavintsika sy ny fiafarantsika Izy. Noho izany, tokony hanao an'izany koa isika, tsy tokony hijery ny zavatra nataon'ny olona taminao ianao fa mijery hoe mbola ho lavitra no halehan'ity olona ananako alahelo ity. Ny famindram-pon'Andriamanitra dia manangana antsika. Mpanangana ianao raha mamindra fo @ ilay olona nanao ratsy taminao ka mijery sy mitsinjo ny hoaviny. Fa mpaningana ianao raha tsy manao ny fanaon'Andriamanitra.
☆ Mpanangana = be famindram-po
~Ohatra : Josefa
•Genesisy 50/15-25
Nijery lavitra i Josefa na dia tena mangidy loatra taminy aza ny zavatra nataon'ireo rahalahiny taminy. I Josefa manokana dia nahita fa ho lasa firenena ny ankohonany any ao aoriana.
Ny tsy fahaizanao mamela sy mamindra fo dia manakana ny olona ho @ anjara voatendriny. Raha manana fo lentika ianao, lasa manana fo handentika ny namanao.
~Ohatra : Jesosy
Na inona toetra ratsy sy fanao ratsy nataon'ny olona taminy, tsy navelany hahakasika ny fony izany. Na ny miaramila nikapoka sy namono Azy, na i Heroda sy ireo olona naneso Azy, tsy mba navelany haningana ny fony satria ny tao anatiny dia ny hanangana an'ireo olona ireo ho zanak'Andriamanitra.
•Lioka 23/34
Mandrapahataperan'ny fofon'ain'i Jesosy dia tsy mba naningana mihitsy Jesosy. Tokony hanana an'izany toe-po izany ihany koa isika, tsy haningana ny fontsika na inona na inona ataon'ny olona mandrapahatongan'i Jesosy eny @ rahon'ny lanitra.
•Asan'ny Apostoly 7/54-60
•Asan'ny Apostoly 8/1
•Asan'ny Apostoly 9/1-16
I Paoly talohan'ny naha Paoly azy dia nanenjika ny fampianarana momba an'i Jesosy. Anisan'izany i Stefana. Fa i Stefana na dia nenjehina sy notoraham-bato aza, namindra fo t@ Paoly izy ka nametraka vain'afo teo an-tampon-dohan'i Paoly izany famindram-pon'i Stefana izany. Ary izany no nampiova an'i Paoly rehefa avy nihaona t@ Jesosy izy.
Fa i Ananiasy kosa nijery ny lasan'i Paoly talohan'ny nanekeny hametra-tanana t@ i Paoly ka hanangana Azy ho Paoly raha Saoly no anarany teo aloha.
Aoka isika ho be famindram-po tahaka an'Andriamanitra Raintsika. Aza mijanona eo @ hoe nandray famindram-po ianao fa mahaiza mamindra fo.
•Kolosiana 3/12
14/04/2023
•Matio 5/48
Andriamanitra tanteraka ny Andriamanitsika; Tsy misy tsiny Izy, tonga lafatra, tsy misy pentina. Izany toetra tanteraka izany anefa no takiana amintsika Kristianina.
•Efesiana 5/1-2
Taomina isika androany hanahaka an'Andriamanitra. Mety mieritreritra ianao hoe ahoana no hanahafantsika an'Andriamanitra, kanefa tokony ho fantatrao fa ny toetranao mitovy @ toetran'Andriamanitra no hanahafanao Azy.
•Kolosiana 1/28
Maro ny toetra tian'Andriamanitra hambolena ao anatintsika rehetra izay te hanahaka an'Andriamanitra.
•Matio 5/1-48
Raha vakiana io tenin'Andriamanitra io dia maro ireo toetran'Andriamanitra, toetra tsara tokony hananantsika.
•Efesiana 4/17-24
Isika dia Jentilisa nalain'Andriamanitra avy any anaty fahamaizinana. Aza lany fotoana intsony any @ ireo zavatra namatotra ny ara-panahinao teo aloha. Mibebaha @ Andriamanitra raha nisy toetra mbola tsy anahafanao Azy ka esory izany ary manahafa an'Andriamanitra satria ianao dia zanak'Andriamanitra. Raha te hanana ny toetran'Andriamanitra ianao dia mila mandray an'i Jesosy ianao mba ho iray fanahy @ Andriamanitra ianao.
•Ezekiela 11/19-20
Ny fanananao fanahy iray @ Andriamanitra no hampisy ny toetran'Andriamanitra ao anatinao mba hanahafanao Azy. Fa mila ianao tonga saina hoe inona ny zavatra mamatotra anao hahatonga anao tsy hanahaka an'Andriamanitra...
•Romana 6/6
•II Korintiana 5/21
•Jaona 3/36
Tian'Andriamanitra ho tahaka Azy isika @ alalan'ny toetra. Aoka isika ho tanteraka tahaka ny fahatanterahan'ny Raintsika izay any an-danitra.
Pasteur Germaine Rapelamaro 🙏
12/04/2023
•Efesiana 2/11-20
Vitan'Andriamanitra ny nanao fihavanana teo amin'ny Jentilisa sy ny Zanak'Isiraëly noho @ Jesosy Kristy teo ambony hazofijaliana. Ary tsy tao ambany lalàna intsony isika fa tao ambany fahasoavana. Raha tsy noho Jesosy dia tsy mpandova ny teny fikasana isika satria tsy taranak'i Abrahama.
Tsy t@ alalan'ny lalàna no namonjena antsika fa t@ fahasoavana. Nakamban'Andriamanitra ho olom-baovao iray isika Jentilisa sy ny Zanak'Isiraëly t@ alalan'ny fandravana ny fandrafiana tao @ nofony.
•II Timoty 2/22
•Hebreo 12/14
>>> Inona ny antony nahatongavan'i Jesosy tety an-tany?
▪︎Hahatanteraka ny famonjena :
•Matio 1/21
▪︎Nandresy ny fahafatesana :
•Hebreo 2/14
▪︎Hitondra ny entanao rehetra :
Nolalovan'i Jesosy ny zava-misy eo @ fiainanao rehefa tonga nofo tety an-tany Izy.
>>> Inona avy ny toetra tian'i Jesosy ho hita eo @ fiainanao raha toa ka ho avy eny @ rahon'ny lanitra Izy ?
•Matio 25/31-40
Jesosy mety tsy ho hitanao maso fa ireo zavatra ataonao ho an'ireo mpanompony ireo no hahatonga anao ho valian'Andriamanitra.
Manàna fo marina @ mpanompon'Andriamanitra fa ny zavatra izay ataonao ho Azy dia ataonao ho an'Andriamanitra ihany koa. Omeo hanina izy raha noana, omeo rano izy raha mangetaheta.
•Genesisy 3/9
Zava-dehibe ny fihavananao na @ mpanompon'Andriamanitra na @ Andriamanitra na @ iza na @ iza. Jesosy tonga hampihavana antsika.
☆Mpanompon'Andriamanitra = Kristianina rehetra
■ Tian'Andriamanitra isika ho @ fihavanana.
Jesosy mihitsy no nanolotra ny tenany mba handrava ny fifandrafiana.
Pasteur Ange Solonirina 🙏
11/04/2023
Alahady 12 Février 2023
Taorian'ny Tso-drano dia nisy ny :
✅ Fanaterana hani-py avy @ zanaky ny RHEFI Toliara rehetra sy ny Sampana eto an-toerana
✅ Fiarahana mifaly @ fanehoana ireo foko Grand Sud isan-karazany
✅ Fiarahabana ny Ray aman-dreny Pasteur Rasolofoarisoa Nomenjanahary Herimampionona mivady tratry ny taona 2023
✅ Fanolorana fanomezana ho fanomezam-boninahitra ny Ray aman-dreny.
08/04/2023
_Aza adino ny fotoan-dehibe rahampitso.
«Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy ho santatr’izay efa nodi-mandry.»
— 1Korintiana 15:20
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the place of worship
Telephone
Website
Address
Toliary
BP585